Bokin'ny Tantara 24:27
Ary ny amin’ ny zanany sy ny hamafin’ ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon’ Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak’ i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak’ i Simrita Moabita.
Read all of Bokin'ny Tantara 24
Cross References
2 Kings 12:21Ary nitsangana ny mpanompon’ i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo, ao am-pidinana mankany Sila.
2 Chronicles 9:29Ary ny tantaran’ i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra va izany ao amin’ ny bokin’ i Natana mpaminany sy amin’ ny faminanian’ i Ahia Silonita sy amin’ ny fahitan’ Ido mpahita ny amin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata?
2 Chronicles 16:11Ary, indro, ny tantaran’ i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely.
2 Chronicles 24:12Ary nomen’ ny mpanjaka sy Joiada ho an’ izay nanao ny raharahan’ ny tranon’ i Jehovah ny vola, ka nanakaraman’ ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon’ i Jehovah.