Bokin'ny Tantara 25:19
Lazainao fa namely an’ i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 25
Cross References
Deuteronomy 8:14dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana,
2 Chronicles 32:25Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan’ ny fahatezerana izy mbamin’ ny Joda sy Jerosalema.
Proverbs 13:10Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.
Proverbs 18:6Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
Proverbs 26:17Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin’ ny sofiny.
Jeremiah 9:23Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’ izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.