Bokin'ny Tantara 25:27
Ary hatramin’ ny andro nihemoran’ i Amazia tsy nanaraka an’ i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ ny Joda.
Read all of Bokin'ny Tantara 25
Cross References
Joshua 10:31Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
2 Kings 14:19Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
2 Chronicles 15:2ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
2 Chronicles 24:25Ary nony nilaozany tamin’ ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran’ ny zanak’ i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.