Bokin'ny Tantara 26:16
Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 26
Cross References
Numbers 16:7dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan’ i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin’ i Jehovah, dia izy no ho masìna; fa aoka izay ianareo, ry taranak’ i Levy!
Numbers 16:35Ary nisy afo nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
Deuteronomy 8:14dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana,
Deuteronomy 32:13Nampandeha azy teny ambonin’ ny havoana amin’ ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin’ ny vatolampy afovato
2 Kings 14:10Efa namely an’ i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
2 Kings 16:12Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny.