The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 26 › Bokin'ny Tantara 26:18

Bokin'ny Tantara 26:18

Ary nanohitra an’ i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah, fa an’ ny mpisorona ihany, dia ny taranak’ i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ ny fitoerana masìna, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitra izany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And they withstood Uzziah the king, and said unto him, It appertaineth not unto thee, Uzziah, to burn incense unto the LORD, but to the priests the sons of Aaron, that are consecrated to burn incense: go out of the sanctuary; for thou hast trespassed; neither shall it be for thine honour from the LORD God.

In Context

17Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin’ ny valo-polo lahy amin’ ny mpisoron’ i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa.

19Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin’ ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin’ ny handriny teo anatrehan’ ny mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah, tanilan’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.

Read all of Bokin'ny Tantara 26

Cross References

Exodus 28:1Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona.

Numbers 18:7Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin’ ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.

1 Samuel 2:30Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.

2 Chronicles 19:2Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak’ i Hanany mpahita, ka nanao tamin’ i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an’ i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.

Jeremiah 13:18Lazao amin’ ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 26:18

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 26:17Bokin'ny Tantara 26Bokin'ny Tantara 26:19 →