Bokin'ny Tantara 26:7
Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 26
Cross References
1 Chronicles 5:22fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin’ Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan’ ny namaboana azy kosa.
2 Chronicles 14:10Ary Asa nitaraina tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
2 Chronicles 17:11Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’ i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman’ osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
2 Chronicles 21:16Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin’ ny Etiopiana hamely an’ i Jehorama;
Psalms 18:29Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
Isaiah 14:29Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon’ ny bibilava no hihavian’ ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran’ afo manidina.