Bokin'ny Tantara 26:9
Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin’ ny vavahady an-jorony sy teo amin’ ny vavahady mankao amin’ ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 26
Cross References
2 Chronicles 25:23Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ Joasy, zanak’ i Joahaza, dia nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’ i Joasy efa-jato hakiho ny mandan’ i Jerosalema hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
Nehemiah 2:15Dia niakatra teo amin’ ny lohasahan-driaka aho tamin’ ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, dia niverina.
Nehemiah 3:19Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin’ i Ezera, zanak’ i Jesoa, komandin’ i Mizpa, teo amin’ ny tandrifin’ ny fiakarana ho any amin’ ny trano fitehirizam-piadiana eo amin’ ny fiolahana.
Nehemiah 3:32Ary ny teo anelanelan’ ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ ondry no namboarin’ ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
Zechariah 14:10Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’ i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin’ ny fitoerany izy hatramin’ ny vavahadin’ i Benjamina ka hatreo amin’ ny vavahady voalohany, hatramin’ ny vavahady an-jorony, ary hatramin’ ny tilikambo Hananela ka hatramin’ ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.