Bokin'ny Tantara 28:27
Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ ny fasan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 28
Cross References
2 Chronicles 21:20Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.
2 Chronicles 26:23Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an’ ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Chronicles 33:20Ary Manase lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
Isaiah 14:28Tamin’ ny taona nahafatesan’ i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao: