Bokin'ny Tantara 29:22
Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy, ary noraisin’ ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin’ ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak’ ondry, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 29
Cross References
Leviticus 1:5Dia hamono ny zanak’ omby eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
Leviticus 4:18Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan’ i Jehovah, dia ilay ao anatin’ ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana.
Leviticus 8:14Ary nentiny nanatona koa ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
Leviticus 8:24Ary nentiny nanatona koa ny zanak’ i Arona, ka notentenan’ i Mosesy ny rà ny tendron’ ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin’ i Mosesy manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.