Bokin'ny Tantara 29:25
Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon’ i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin’ i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan’ ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin’ i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 29
Cross References
2 Samuel 7:2dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
2 Samuel 12:1Ary Jehovah naniraka an’ i Natana hankao amin’ i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.
1 Chronicles 9:33Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’ izany raharaha izany andro aman’ alina izy.
1 Chronicles 16:4Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
1 Chronicles 21:9Ary hoy Jehovah tamin’ i Gada mpahitan’ i Davida:
1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy: