Bokin'ny Tantara 29:34
Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan’ ny raharaha sy ny nanamasinan’ ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
33Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman’ osy telo arivo.
Read all of Bokin'ny Tantara 29
Cross References
Numbers 8:15Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
Numbers 18:3Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masìna sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.
2 Kings 12:6aoka horaisin’ ny mpisorona amin’ ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin’ ny trano, na amin’ inona na amin’ inona no hitany misy simba.
2 Chronicles 29:5Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ ny fitoerana masìna ny loto.
2 Chronicles 30:15Dia namono ny Paska izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
2 Chronicles 35:11Dia novonoin’ ny olona ny Paska, ary natopin’ ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran’ ny Levita kosa.