Bokin'ny Tantara 29:35
Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran’ ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 29
Cross References
Genesis 35:14Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin’ ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
Leviticus 3:15ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany.
Leviticus 3:17Izao no ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby eny amin’ izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.
Numbers 15:5ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
Ezra 6:18Dia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny firazanany avy sy ny Levita ho amin’ ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an’ Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy.