Bokin'ny Tantara 30:1
Ary Hezekia naniraka tany amin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’ i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 30
Cross References
Exodus 12:3Mitenena ianareo amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ ny andro fahafolo amin’ ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ ondry iray avy no ho an’ ny isan-trano;
2 Kings 23:22Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin’ ny andron’ ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda;
2 Chronicles 11:16Ary na iza na iza tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
2 Chronicles 29:24dia novonoin’ ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin’ ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely; fa ho an’ ny Isiraely rehetra no nasain’ ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
2 Chronicles 35:6Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an’ ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Mosesy.
Hosea 7:8Efraima dia miharoharo amin’ ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.