Bokin'ny Tantara 30:11
Kanefa kosa ny tamin’ ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Nevertheless divers of Asher and Manasseh and of Zebulun humbled themselves, and came to Jerusalem.
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 30
Cross References
Leviticus 26:41ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, raha hietry amin’ izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin’ ny helony izy,
2 Chronicles 11:16Ary na iza na iza tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
2 Chronicles 12:12Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran’ i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin’ ny Joda.
2 Chronicles 30:21Ary ny Zanak’ isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an’ i Jehovah isan’ andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’ i Jehovah.
2 Chronicles 33:12Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’ Andriamanitry ny razany
2 Chronicles 33:23ary tsy nanetry tena teo anatrehan’ i Jehovah tahaka ny nataon’ i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza.