The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 30 › Bokin'ny Tantara 30:14

Bokin'ny Tantara 30:14

Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And they arose and took away the altars that were in Jerusalem, and all the altars for incense took they away, and cast them into the brook Kidron.

In Context

13Ary tamin’ ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.

15Dia namono ny Paska izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.

Read all of Bokin'ny Tantara 30

Cross References

2 Kings 18:22Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman’ alitara izay noravan’ i Hezekia, izay nilaza tamin’ ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan’ ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?

2 Chronicles 15:16Ary na dia Imaka, renin’ i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.

2 Chronicles 29:16Ary ny mpisorona niditra tao amin’ ny efitra anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin’ i Jehovah ho eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.

2 Chronicles 34:3Fa tamin’ ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an’ Andriamanitr’ i Davida rainy; ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo kosa dia niantomboka nanadio an’ i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony.

2 Chronicles 34:7dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.

Isaiah 36:7Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman’ alitara izay noravan’ i Hezekia, izay nilaza tamin’ ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan’ ity alitara ity no hiankohofanareo?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 30:14

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 30:13Bokin'ny Tantara 30Bokin'ny Tantara 30:15 →