Bokin'ny Tantara 30:27
Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin’ Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masìna, ny fivavany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 30
Cross References
Numbers 6:23Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak’ Isiraely:
Deuteronomy 26:15Tsinjovy ao amin’ ny fonenanao masìna any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
1 Kings 8:39dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon’ ny zanak’ olombelona rehetra),
2 Chronicles 23:18Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon’ i Jehovah hofehezin’ ny Levita mpisorona izay nozarazarain’ i Davida ho ao an-tranon’ i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, amin’ ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’ i Davida natao.
Isaiah 57:15Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
Isaiah 66:1Izao no lazain’ i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?