Bokin'ny Tantara 30:7
Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 30
Cross References
2 Chronicles 26:18Ary nanohitra an’ i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah, fa an’ ny mpisorona ihany, dia ny taranak’ i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ ny fitoerana masìna, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitra izany.
Ezekiel 20:13Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak’ Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
Zechariah 1:3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.