Bokin'ny Tantara 30:8
Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ ny razanareo, fa atolory an’ i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin’ ny fitoerany masìna, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 30
Cross References
Deuteronomy 6:13Matahora an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
Deuteronomy 10:16Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
2 Kings 23:26Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran’ i Manase Azy.
2 Chronicles 6:5Hatramin’ ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran’ ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;
2 Chronicles 7:16fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran’ ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.
2 Chronicles 28:13nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin’ i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan’ ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.