The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 31 › Bokin'ny Tantara 31:1

Bokin'ny Tantara 31:1

Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan’ ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran’ i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin’ ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’ isiraely rehetra.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Now when all this was finished, all Israel that were present went out to the cities of Judah, and brake the images in pieces, and cut down the groves, and threw down the high places and the altars out of all Judah and Benjamin, in Ephraim also and Manasseh, until they had utterly destroyed them all. Then all the children of Israel returned, every man to his possession, into their own cities.

In Context

2Ary Hezekia nanendry ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin’ ny vavahadin’ ny tobin’ i Jehovah.

Read all of Bokin'ny Tantara 31

Cross References

Genesis 19:15Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an’ i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna.

Deuteronomy 7:5Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin’ ny afo.

2 Kings 17:2Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely teo alohany.

2 Kings 23:2Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ ny bokin’ ny fanekena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.

2 Chronicles 14:3Ary nandidy ny Joda hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.

2 Chronicles 30:1Ary Hezekia naniraka tany amin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’ i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 31:1

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
Bokin'ny Tantara 31Bokin'ny Tantara 31:2 →