Bokin'ny Tantara 31:10
Ary Azaria mpisoronabe, taranak’ i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin’ ny niandohan’ ny nitondran’ ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon’ i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin’ ireo niavosa ireo.
Read all of Bokin'ny Tantara 31
Cross References
Genesis 26:12Dia namafy tamin’ izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin’ izay taona izay, satria efa notahin’ i Jehovah izy.
Genesis 39:5Ary hatramin’ izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nananany dia notahin’ i Jehovah ny tranon’ ilay Egyptiana noho ny amin’ i Josefa; ary ny fitahian’ i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
Exodus 36:7fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
Leviticus 26:4dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
Deuteronomy 28:8Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin’ ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
2 Kings 4:43Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan’ ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain’ i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.