The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 31 › Bokin'ny Tantara 31:2

Bokin'ny Tantara 31:2

Ary Hezekia nanendry ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin’ ny vavahadin’ ny tobin’ i Jehovah.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And Hezekiah appointed the courses of the priests and the Levites after their courses, every man according to his service, the priests and Levites for burnt offerings and for peace offerings, to minister, and to give thanks, and to praise in the gates of the tents of the LORD.

In Context

1Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan’ ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran’ i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin’ ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’ isiraely rehetra.

3Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen’ ny mpanjaka avy tamin’ ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin’ ny Sabata sy amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Jehovah.

Read all of Bokin'ny Tantara 31

Cross References

1 Chronicles 16:4Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:

1 Chronicles 16:40hanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,

1 Chronicles 23:6Ary nozarazarain’ i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’ i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:

1 Chronicles 24:1Ary ny amin’ ny taranak’ i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;

1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:

1 Chronicles 26:26Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin’ i Davida mpanjaka sy ny lohan’ ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin’ ny miaramila.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 31:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 31:1Bokin'ny Tantara 31Bokin'ny Tantara 31:3 →