Bokin'ny Tantara 32:15
Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin’ ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin’ ny tanako sy ny tanan’ ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin’ ny tanako?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary ny mpanompon’ i Sankeriba mbola niteny ratsy an’ i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
Read all of Bokin'ny Tantara 32
Cross References
Exodus 5:2Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
1 Kings 22:22Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
2 Kings 19:10Izao no holazainareo amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: Aza mety hofitahin’ ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria.
Isaiah 36:18Aza mety homen’ i Hezekia vohony ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
Daniel 3:15Ankehitriny raha miomana ianareo amin’ izay handrenesanareo ny fanenon’ ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ ny tanako izany?
Acts 19:26Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an’ i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.