Bokin'ny Tantara 32:20
Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, ka nitaraina tamin’ ny lanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 32
Cross References
2 Kings 19:1Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah,
2 Kings 19:14Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.
2 Chronicles 14:10Ary Asa nitaraina tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
2 Chronicles 20:6ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
Psalms 91:14Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
Isaiah 37:14Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.