Bokin'ny Tantara 32:22
Toy izany no namonjen’ i Jehovah an’ i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin’ ny tànan’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, sy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin’ ny manodidina rehetra Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 32
Cross References
Psalms 37:39Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy.
Psalms 71:20Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin’ ny fitoerana lalina amin’ ny tany.
Psalms 144:10Izay manome famonjena ho an’ ireo mpanjaka, Sady mamonjy an’ i Davida mpanompony tsy ho voan’ ny sabatra mandratra.
Isaiah 31:4Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron’ ny liona sy ny liona tanora eo amin’ ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon’ ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.
Isaiah 58:11Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
John 16:13Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.