Bokin'ny Tantara 32:31
Nefa noho ny amin’ ny irak’ ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin’ ny zava-mahagaga natao teo amin’ ny tany, dia nilaozan’ Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 32
Cross References
Genesis 22:1Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan’ Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
Deuteronomy 8:16Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
Judges 16:20Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
2 Kings 20:11Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin’ i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin’ ny dialin’ i Ahaza.
Job 1:11Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e!
Psalms 27:9Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.