Bokin'ny Tantara 32:33
Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny fiakarana ho any amin’ ny fasan’ ny zanak’ i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin’ ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 32
Cross References
Numbers 20:29Koa nony hitan’ ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak’ Isiraely rehetra.
1 Samuel 2:30Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
1 Kings 1:21Fa rehefa lasa modi-mandry any amin’ ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
1 Kings 11:43Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Chronicles 33:1Roa ambin’ ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.
Proverbs 10:7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.