Bokin'ny Tantara 32:5
Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin’ ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an’ i Milo tao an-tanànan’ i Davida sady nanao lefona aman’ ampinga betsaka izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 32
Cross References
2 Samuel 5:9Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.
1 Kings 11:27Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka: Solomona nanorina an’ i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan’ i Davida rainy;
2 Kings 25:4Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin’ ny lalana nankamin’ ny vavahady tanelanelan’ ny manda roa, izay eo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay.
2 Chronicles 14:5Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
2 Chronicles 23:1Ary tamin’ ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin’ ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak’ i Jerohama, sy Isimaela, zanak’ i Johanana, sy Azaria, zanak’ i Obeda, sy Mahaseia, zanak’ i Adaia, ary Elisafata, zanak’ i Zikry.
2 Chronicles 26:8Ary ny Amonita nandoa hetra ho an’ i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin’ i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.