Bokin'ny Tantara 33:12
Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’ Andriamanitry ny razany
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 33
Cross References
Exodus 10:3Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
Deuteronomy 4:30Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
2 Chronicles 15:2ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
2 Chronicles 28:5Koa dia natolotr’ i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
2 Chronicles 32:26Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan’ ny fahatezeran’ i Jehovah ireo fahavelon’ i Hezekia.
2 Chronicles 33:23ary tsy nanetry tena teo anatrehan’ i Jehovah tahaka ny nataon’ i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza.