Bokin'ny Tantara 33:14
Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan’ ny Tanànan’ i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin’ ny lohasahan-driaka, ka hatramin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an’ i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin’ ny miaramila ho any amin’ ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 33
Cross References
1 Kings 1:33Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon’ ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midìna any Gihona izy.
2 Chronicles 11:11Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.
2 Chronicles 27:3Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah sady nandrafitra be tamin’ ny mandan’ i Ofela koa.
2 Chronicles 32:30Ary notampenan’ io Hezekia io ny fivoahan’ ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin’ ny tany hidina mahitsy ho any andrefan’ ny Tanànan’ i Davida izany. Ary nambinina tamin’ ny asany rehetra Hezekia.
Nehemiah 3:26Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.
Isaiah 32:14Fa ho foana ny lapan’ ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman’ ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen’ ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian’ ny ondry aman’ osy,