Bokin'ny Tantara 33:18
Ary ny tantaran’ i Manase sisa mbamin’ ny vavaka nataony tamin’ Andriamaniny sy ny tenin’ ireo mpahita izay niteny taminy tamin’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 33
Cross References
1 Kings 11:41Ary ny tantaran’ i Solomona sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Solomona va izany?
1 Kings 15:31Ary ny tantaran’ i Nadaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
2 Chronicles 20:34Ary ny tantaran’ i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, izay nakambana ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely, izany.
2 Chronicles 33:10Ary Jehovah niteny tamin’ i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.
2 Chronicles 33:19Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken’ Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin’ ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Hozay izany.
Isaiah 30:10Izay manao amin’ ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,