Bokin'ny Tantara 33:22
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon’ i Manase rainy dia namonoan’ i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema.
Read all of Bokin'ny Tantara 33
Cross References
2 Kings 21:20Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah koa izy tahaka ny nataon’ i Manase rainy.
2 Chronicles 34:3Fa tamin’ ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an’ Andriamanitr’ i Davida rainy; ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo kosa dia niantomboka nanadio an’ i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony.
Ezekiel 20:18Fa hoy Izaho tamin’ ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ ny sampiny;