Bokin'ny Tantara 33:3
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan’ i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’ ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ka nanompo azy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 33
Cross References
Deuteronomy 16:21Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.
Judges 2:11Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, fa nanompo ireo Bala
1 Kings 14:23Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
2 Kings 21:3Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan’ i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’ i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra izy ka nanompo ireny,
2 Kings 23:11Ary ny soavaly izay nohamasinin’ ireo mpanjakan’ ny Joda ho an’ ny masoandro ka nataony teo amin’ ny fidirana ho ao an-tranon’ i Jehovah, teo akaikin’ ny efi-tranon’ i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin’ ny masoandro nodorany tamin’ ny afo.
2 Chronicles 28:24Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah sady nanao alitara teny amin’ ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.