Bokin'ny Tantara 33:4
sady nanorina alitara tao an-tranon’ i Jehovah, dia tao amin’ ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran’ ny anarako mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 33
Cross References
1 Kings 8:29mba hihiratan’ ny masonao andro aman’ alina amin’ ity trano ity, dia amin’ ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon’ ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
2 Kings 16:11Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan’ i Oria mpisorona azy mandra-pihavin’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
2 Kings 21:4sady nanao alitara tao an-tranon’ i Jehovah koa izy, dia tao amin’ izay nolazain’ i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
2 Chronicles 6:6fa nifidy an’ i Jerosalema Aho hitoeran’ ny anarako, ary nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
2 Chronicles 32:19Ary Andriamanitr’ i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny, izay asan’ tànan’ olona ihany.
2 Chronicles 34:3Fa tamin’ ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an’ Andriamanitr’ i Davida rainy; ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo kosa dia niantomboka nanadio an’ i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony.