The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 33 › Bokin'ny Tantara 33:6

Bokin'ny Tantara 33:6

Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And he caused his children to pass through the fire in the valley of the son of Hinnom: also he observed times, and used enchantments, and used witchcraft, and dealt with a familiar spirit, and with wizards: he wrought much evil in the sight of the LORD, to provoke him to anger.

In Context

5Fa nanao alitara teo anatin’ ny kianja roa amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.

7Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon’ Andriamanitra, izay nolazain’ Andriamanitra tamin’ Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;

Read all of Bokin'ny Tantara 33

Cross References

Leviticus 18:21Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’ i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.

Leviticus 19:31Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Leviticus 20:6Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny izy.

Deuteronomy 12:31Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’ i Jehovah, no nataony tamin’ ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin’ ny afo ho an’ ny andriamaniny.

1 Samuel 15:23Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.

2 Kings 17:17Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 33:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 33:5Bokin'ny Tantara 33Bokin'ny Tantara 33:7 →