Bokin'ny Tantara 33:7
Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon’ Andriamanitra, izay nolazain’ Andriamanitra tamin’ Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 33
Cross References
Judges 17:3Ary rehefa naveriny tamin’ ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an’ i Jehovah mihitsy ity vola avy amin’ ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.
1 Kings 8:44Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalon’ ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin’ i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao izy,
1 Kings 11:13Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin’ i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
1 Kings 12:28Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin’ ny olona: “Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô” indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
2 Kings 23:6Ary ny Aseraha navoakany hiala amin’ ny tranon’ i Jehovah ho any ivelan’ i Jerosalema, ao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin’ ny fasam-bahoaka.
2 Chronicles 6:6fa nifidy an’ i Jerosalema Aho hitoeran’ ny anarako, ary nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.