Bokin'ny Tantara 34:14
Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah, ilay nampilazaina an’ i Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 34
Cross References
Leviticus 10:11ary mba hampianarinareo ny Zanak’ Isiraely ny didy rehetra izay nasain’ i Jehovah holazain’ i Mosesy taminy.
Deuteronomy 17:18Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ ireo Levita mpisorona.
Joshua 1:8Aoka tsy hiala amin’ ny vavanao ity bokin’ ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’ alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’ izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.
2 Chronicles 12:1Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan’ i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.
2 Chronicles 34:9Ary rehefa tonga teo amin’ i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ Andriamanitra, izay efa nangonin’ ny Levita, mpiandry varavarana, tamin’ ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely, ary tamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
Ezra 7:10Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’ i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.