Bokin'ny Tantara 34:2
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy ka nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 34
Cross References
Deuteronomy 17:11Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin’ ny teny izay hambarany aminao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
Deuteronomy 28:14Ary aza miala amin’ ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
Joshua 23:6Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia,
1 Kings 15:5satria Davida nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ka tsy nivily niala tamin’ izay nandidiany azy tamin’ ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin’ i Oria Hetita ihany.
2 Chronicles 14:2fa nandrava ny alitaran’ ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.
2 Chronicles 17:4fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon’ ny Isiraely.