Bokin'ny Tantara 34:24
Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin’ ilay boky efa novakina teo anatrehan’ ny mpanjakan’ ny Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 34
Cross References
Leviticus 26:14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
2 Kings 21:12dia izao kosa no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin’ i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
2 Chronicles 36:14Ary ny lehibe rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny jentilisa ka nandoto ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
2 Chronicles 36:19Dia nodorany koa ny tranon’ Andriamanitra, ary noravany ny mandan’ i Jerosalema; ny lapan’ andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin’ ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany.
Isaiah 5:4Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?