Bokin'ny Tantara 34:3
Fa tamin’ ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an’ Andriamanitr’ i Davida rainy; ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo kosa dia niantomboka nanadio an’ i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 34
Cross References
1 Kings 13:2Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
2 Kings 18:4Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’ i Mosesy; fa ny Zanak’ Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin’ iny hatramin’ izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.
2 Kings 23:4Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ i Bala sy Astarta ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra hiala amin’ ny tempolin’ i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’ i Jerosalema teny amin’ ny saha amoron’ i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
1 Chronicles 22:5Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an’ i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.
1 Chronicles 29:1Ary hoy Davida mpanjaka tamin’ ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin’ Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an’ olona, fa ho an’ i Jehovah Andriamanitra.
2 Chronicles 15:2ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.