Bokin'ny Tantara 34:30
Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin’ ny bokin’ ny fanekena, izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon’ ny Joda sy Jerosalema rehetra.
Read all of Bokin'ny Tantara 34
Cross References
Deuteronomy 1:17Aza mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’ Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
2 Kings 23:2Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ ny bokin’ ny fanekena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
2 Chronicles 6:1Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin’ ny aizim-pito Izy.
2 Chronicles 17:7Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin’ ny tanànan’ ny Joda,
2 Chronicles 34:15Ary niteny Hilkia ka nanao tamin’ i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin’ ny lalàna dia hitako tao an-tranon’ i Jehovah. Dia natolotr’ i Hilkia an’ i Safana ny boky.
2 Chronicles 34:24Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin’ ilay boky efa novakina teo anatrehan’ ny mpanjakan’ ny Joda.