The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 34 › Bokin'ny Tantara 34:9

Bokin'ny Tantara 34:9

Ary rehefa tonga teo amin’ i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ Andriamanitra, izay efa nangonin’ ny Levita, mpiandry varavarana, tamin’ ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely, ary tamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And when they came to Hilkiah the high priest, they delivered the money that was brought into the house of God, which the Levites that kept the doors had gathered of the hand of Manasseh and Ephraim, and of all the remnant of Israel, and of all Judah and Benjamin; and they returned to Jerusalem.

In Context

8Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an’ i Safana, zanak’ i Azalia, sy Mahaseia, komandin’ ny tanàna, ary Joa, zanak’ i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny tranon’ i Jehovah Andriamaniny.

10Ary natolony ho eo an-tanan’ ny lehiben’ ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin’ ny tranon’ i Jehovah izany, ary natolotr’ ireo kosa ho an’ ny mpiasa izay niasa tao an-tranon’ i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano;

Read all of Bokin'ny Tantara 34

Cross References

2 Kings 22:4Miakara any amin’ i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia izay nangonin’ ny mpiandry varavarana tamin’ ny olona;

2 Chronicles 24:11Ary tamin’ izay andro nitondran’ ny Levita ny vata ho any amin’ ny toniany voatendrin’ ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin’ ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.

2 Chronicles 30:18Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an’ ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà

2 Chronicles 34:14Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah, ilay nampilazaina an’ i Mosesy.

2 Chronicles 34:20sady nandidy an’ i Hilkia sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Abdona, zanak’ i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, ka nanao hoe:

2 Chronicles 35:8Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an’ ny olona sy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra, nanome ondry aman’ osy enin-jato amby roa arivo ho an’ ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 34:9

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 34:8Bokin'ny Tantara 34Bokin'ny Tantara 34:10 →