Bokin'ny Tantara 35:1
Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an’ i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 35
Cross References
Exodus 12:6ary hotehirizinareo izy hatramin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity; dia hamono azy amin’ ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
Deuteronomy 16:1Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ ny volana Abiba no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny alina.
2 Chronicles 30:1Ary Hezekia naniraka tany amin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’ i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
2 Chronicles 30:13Ary tamin’ ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.
Ezekiel 45:21Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.