Bokin'ny Tantara 35:15
Ary ny mpihira, taranak’ i Asafa, nitoetra teo amin’ ny fitoerany, araka ny didin’ i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan’ ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin’ ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 35
Cross References
1 Chronicles 16:41ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:
1 Chronicles 26:12Ireo lohan’ ny tonian’ ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin’ ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ i Jehovah.
2 Chronicles 29:25Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon’ i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin’ i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan’ ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin’ i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
Ezra 6:20fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an’ izay rehetra efa nody avy tamin’ ny fahababoana sy ho an’ ny mpisorona rahalahiny ary ho an’ ny tenany,
Psalms 78:1Maskila nataon’ i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin’ ny tenin’ ny vavako.