The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 35 › Bokin'ny Tantara 35:24

Bokin'ny Tantara 35:24

Dia nesorin’ ny mpanompony tamin’ izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin’ ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an’ i Josia.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

His servants therefore took him out of that chariot, and put him in the second chariot that he had; and they brought him to Jerusalem, and he died, and was buried in one of the sepulchres of his fathers. And all Judah and Jerusalem mourned for Josiah.

In Context

23Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an’ i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.

25Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an’ i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an’ i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin’ ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny fihirana fisaonana izany.

Read all of Bokin'ny Tantara 35

Cross References

2 Kings 23:30Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin’ ny fasany. Ary nalain’ ny vahoaka Joahaza, zanak’ i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.

2 Chronicles 34:28Koa, indro, hangoniko any amin’ ny razanao ianao ary hangonina any amin’ ny fasanao amin’ ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin’ ny mpanjaka izy ireo.

Ecclesiastes 8:14Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin’ ny tany: Misy olo-marina iharan’ izay tokony ho valin’ ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin’ ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.

Zechariah 12:11Amin’ izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin’ ny lohasaha Megido.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 35:24

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 35:23Bokin'ny Tantara 35Bokin'ny Tantara 35:25 →