The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 35 › Bokin'ny Tantara 35:3

Bokin'ny Tantara 35:3

Ary hoy izy tamin’ ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masìna ho an’ i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, ny fiara masìna; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And said unto the Levites that taught all Israel, which were holy unto the LORD, Put the holy ark in the house which Solomon the son of David king of Israel did build; it shall not be a burden upon your shoulders: serve now the LORD your God, and his people Israel,

In Context

2Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.

4ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, sy araka ny voasoratr’ i Solomona zanany koa.

Read all of Bokin'ny Tantara 35

Cross References

Numbers 4:15Ary rehefa vitan’ i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masìna sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak’ i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masìna izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan’ ny taranak’ i Kehata.

Numbers 16:9Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan’ Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin’ ny fiangonan’ ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin’ i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan’ ny fiangonana hanompo azy?

1 Chronicles 23:26Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.

2 Chronicles 8:11Ary Solomona nitondra ny zanakavavin’ i Farao niakatra avy tany an-Tanànan’ i Davida ho ao amin’ ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, fa masìna izay efa nidiran’ ny fiaran’ i Jehovah.

2 Chronicles 17:8Ary nisy Levita koa niaraka tamin’ ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin’ i Elisama sy Jorama, mpisorona.

2 Chronicles 30:22Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an’ i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 35:3

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 35:2Bokin'ny Tantara 35Bokin'ny Tantara 35:4 →