Bokin'ny Tantara 35:7
Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen’ i losia zanak’ ondry sy zanak’ osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin’ ny fananan’ ny mpanjaka ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 35
Cross References
1 Kings 8:63Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an’ i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny Zanak’ Isiraely rehetra ny tranon’ i Jehovah.
2 Chronicles 7:8Ary tamin’ izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.
2 Chronicles 31:3Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen’ ny mpanjaka avy tamin’ ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin’ ny Sabata sy amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Jehovah.
Ezekiel 45:17Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin’ ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman’ ny taranak’ Isiraely; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ ny taranak’ Isiraely.