Bokin'ny Tantara 35:8
Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an’ ny olona sy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra, nanome ondry aman’ osy enin-jato amby roa arivo ho an’ ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 35
Cross References
1 Chronicles 24:4Ary ny lohany tamin’ ireo, dia tamin’ ny taranak’ i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin’ ny taranak’ Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin’ ny taranak’ i Eleazara dia enina ambin’ ny folo no lohan’ ny fianakaviana; ary tamin’ ny taranak’ Itamara dia valo kosa no lohan’ ny fianakaviana.
1 Chronicles 29:17Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
2 Chronicles 31:13Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin’ i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian’ ireny, araka ny didin’ i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra.
Ezra 1:6Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan’ ireo tamin’ ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’ izay rehetra nateriny tamin’ ny sitrapo.
Ezra 7:16ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran’ ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin’ ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin’ ny sitrapo hanaovany ny tranon’ Andriamaniny, izay any Jerosalema.
Nehemiah 7:70Ary ny sasany tamin’ ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin’ ny rakitra.