Bokin'ny Tantara 36:15
Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ ny olony sy ny fonenany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 36
Cross References
Judges 10:16Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an’ i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran’ ny Isiraely.
2 Kings 17:13Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
1 Chronicles 3:16Ary ny zanakalahin’ i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’ i Jekonia.
2 Chronicles 24:19Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’ i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
Jeremiah 7:13Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
Jeremiah 25:3Hatramin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.