Bokin'ny Tantara 36:17
Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ ny sabatra tao an-trano fitoerana masìna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 36
Cross References
Leviticus 26:14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
Deuteronomy 28:50firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora
Deuteronomy 30:18dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
2 Kings 25:1Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’ i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.
2 Chronicles 24:21Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah araka ny tenin’ ny mpanjaka.