Bokin'ny Tantara 36:20
Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan’ ny mpanjakan’ i Persia,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 36
Cross References
Deuteronomy 28:47satria tsy nanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan’ ny zavatra rehetra.
2 Chronicles 36:22Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Perisa, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Ezra 2:1Ary izao no olona amin’ izany tany izany izay niakatra avy amin’ ny fahababoana, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,
Isaiah 47:6Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
Jeremiah 27:7Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ ny fotoana hamaliana ny tanin’ izy io kosa, ka hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.
Micah 4:10Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan’ i Jehovah anao ho afaka amin’ ny tanan’ ny fahavalonao.